Maro ireo valanaretina mpitranga ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tahaka izao. Voalohany amin’ireny ny gripa mahery. Nampandamaka sokajin’olona maro izy io nanomboka tamin’iny volana desambra 2014 iny ary mbola mamparefo ny fahasalaman’ireo
zaza sy lehibe ankehitriny, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny dokotera mpitsabo. Ny zava-misy aloha hatreto dia tsy misalasala manatona toeram-pitsaboana ireo ray aman-dreny mitondra ireo menaky ny ainy. Manao dokotera tenany kosa ny ankamaroan’ireo olon-dehibe, hoy ny fanampim-panazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana. Ny tsara ho fantatra anefa dia manome vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana ary mety hiafara hatrany amin’ny fahazoana aretina raboka ny faharetan’ny kohaka tsy ahitana fanafana vokatry ny rivotra maloto. Ankoatra ny rivotra tsy madio entin’ny ranon’orana dia poizina iray goavana ho an’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ireo fako mivangongo miampy ireo loto isan-karazany miparitaka. Efa niezaka nanaitra ny sain’ireo tompon’andraiki-panjakana ihany tamin’ny taona 2012 ireo dokotera mpitsabo ny maha laharam-pahamehana ny fanadiovana ny tanàna saingy toa antso an’efitra izany, hoy izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.