Actualités

Fako mivangongo etsy sy eroa Tsy hisy intsony, hoy i Roland Ravatomanga


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Anisan’ny mampitaraina fatratra ny mponina teto Antananarivo Renivohitra teo aloha teo ny fivangongoan’ny fako tetsy sy teroa

 

. Tsy hisy intsony izany, hoy ny minisitry ny rano vaovao Roland Ravatomanga omaly. Anisan’ny asa laharam-pahamehana hiantsorohany mantsy izany  ho fanampiana ny kaominina. Tsy Antananarivo irery anefa no hahazo tombony amin’izany fa ny renivohi-paritany rehetra mihitsy ho fitsinjovana ny vahoaka. Ankoatra izay dia nampanantena ny handray an-tanana ny famahana ny olan’ny delestazy ihany koa ny tenany. Hisy ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny ka anisan’ny hohamafisina ny fanomezan-danja ny lafiny ara-teknika amin’ny maha teknisianina ny tenany.  Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fijerena akaiky ny lafiny fahadiovana sy fidiovana izay tena ilain’ny mponina tokoa. Na izany aza anefa dia miantso ny mponin’Antananarivo Renivohitra ny tenany mba samy hahalala madio satria mahamenatra raha renivohitr’i Madagasikara no feno fako mivangongo  izay tsy andraikitry ny minisitera sy ny kaominina irery fa adidy iaraha-manana. Tontosa omaly teny Ambohijatovo ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitry ny rano teo aloha Ndahimananjara Johanita, minisitera izay nambarany fa tsy vahiny aminy intsony.

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT