Actualités

Fako mivangongo eto Antananarivo Hofoanana ao anatin’ny 15 andro


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Anjara asan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny manadio ny renivohitr’i Madagasikara. Andraikitry ny Samva kosa ny manangona ireo loto sy fako voadion’ny CUA, hoy ny tale jeneraliny Ratsimbazafy Andrianarisoa Serge.

 

Mandalo ihany io fahasahiranana amin’ny fivangongon’ny zaoridira eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra io, araka ny fanamarihany. Efa misy mantsy ny tetika maty paika fanafoanana ireo fako 10.000 m3 mivangongo manerana ireo boriboritany 6 eto an-drenivohitra. Hanomboka rahampitso zoma avy hatrany ny hetsika fanangonana ireo loto amin’ireo tobim-pako miisa 347 izay eritreretina hifarana afaka 15 andro, araka ny fanazavana heno nandritra ny fivoriana notanterahana teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly. Ho sarotra kokoa ny asa miandry noho ny fotoam-pahavaratra sy ny fitombon’ny fako saingy paikady iatrehana izany ny fampiasana «trucks» miisa 2 sy ny fanampiana ireo fiarabe hisahana ny fanangonana ireo loto izay ho lasa 36 isan’andro. Tanjona ny hamerenana ny fahadiovan’ny tanàna tahaka ny niainan’ny mponina azy nanomboka tamin’ny volana aprily 2015, hoy ny lehiben’ny Samva.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT