Actualités

Fako mivangongo eny Anosipatrana Odian’ny SAMVA fanina ?


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Mampijaly olona maro eto an-drenivohitra ny fivangongoan’ny fako etsy sy eroa. Voakasik’izany manokana ny etsy Anosipatrana akaikin’ny MBS izay tena maimbo tsy azo iainana tokoa amin’izao fotoana izao

 

. Efa ho roa volana tsy nisy mpaka io fako io amin’ny ankapobeny raha araka ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana. Ny tapaky ny volana Novambra taona 2016  no nisy farany ny fandraofana azy ireo dia nijanona teo. Vokany, voatery mihidy tsy fidiny avokoa ny ankamaroan’ireo varavarankely  amin’ireo trano manakaiky ity fako ity ankoatra ireo mpivarotra amoron-dalana izay voatery niala  tamin’ny toerana ny sasany noho ny tsy fisian’ny mpividy intsony.  Matahotra ny lalitra mety hitondra  ny otrikaretina avy amin’izany fako izany mantsy ny ankamaroan’ny mpividy. Raha araka ny fanadihadiana natao moa dia misy ihany ireo mpaka fako tonga eny an-toerana saingy manao fangalam-piery. Mody tonga ny kamiao lehibe iray dia milaza fa hiandry bulle. Rehefa tonga indray ny bulle  ny ampitson’iny dia milaza fa miandry kamiao ny mpamiliny  raha  fiara kely tsy mahazaka fako firy sisa no tonga maka izany amin’ny ora farany. Manao  antso avo amin’ny tompon’andraikitra, araka izany, ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT