Tapa-kevitry ny hihetsika ka hifanome tanana amin’ny SAMVA amin’ny fanadiovana ny tanàna sy fanesorana ny fako ny mponina eny Anosipatrana ao anatin’ny boriborintany faha-4, satria efa tena
tsy laitra intsony ny fofona maimbo nateraky ny fako nisavovona efa ho iray volana izao.Leo sy tofoka ireto mponin’Anosipatrana ireto ka efa saika hitroatra haneho ny hatezerany, soa ihany fa tonga haingana teny an-toerana ny delegen’ny boriborintany faha-4 nijery akaiky ny zava-misy sy nandroso vahaolana avy hatrany.ka ankoatry ny fidirana an-tsehatry ny vahoaka izay efa niaraka tamin’ny angady sy ny harona dia nisy ihany koa ireo tsara sitra-po nanolotra gazoala ampiasain’ny fiaraben’ny SAMVA satria io hoe tsy fahampian’ny solika io mantsy no anisan’ny tsy niasan’ireto fiara be mpanangona fako ireto.Tonga mavitrika teny an-toerana ihany koa ireo mpanolotsaina avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ary niara-nihosona tamin’ny vahoaka nanadio ny tanàna sy nandroaka ny fako ; fantatra fa mbola hitohy ary hiitatra amina fokontany sy kartie hafa ny hetsika tahaka izao mba hanafainganana ny fandraofana ny fako fa efa tena maimbo ny renivohitra ka atahorana ny fihanaky ny areti-mifindra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.