Tsy mipetra-potsiny ny Lefitra voalohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra, Atoa Randrianarison Olivier, na dia eo aza ny olana sedrain’ny kaominina amin’izao fotoana. Raha olana ara-bola ny an’ny mpiasa dia ny azy kosa miezaka mamaha ny olan’ny vahoaka eny anivon’ny fokontany. Anisan’izany ny fifanaraham-piaraha-miasa tontosa ny faran’ny herinandro teo, eo amin’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra sy ny fikambanana KAFMI avy any Soanindrariny amin’ny fanamaivanana ny kaominina amin’ny fanalana fako
. Hifantina ny fako eto Antsirabe ity fikambanana ity ka ny azo ahodina ho zezika dia hotaterin’izy ireo any Soanindrariny fa ny tsy azo ahodina kosa dia hiantohan’izy ireo solika ny kaominina amin’ny fanariana izany. Amin’io herinadro miditra io dia efa hanomboka ao amin’ny Fokontany Ambavahadimangatsiaka ny asa ary efa misy ny olona omen’ny Fikambanana KAFMI asa hifantina ny fako manomboka izao ka anjaran’izy ireo sy ny kaominina no mitatitra ny tandrify azy. Santatra ihany moa ny ao Ambavahadimangatsiaka fa hiitatra amin’ny ireo toerana tena be fako izany aoriana ary hanerana an’Antsirabe manontolo izany. Na mbola mety ho lavitr’ezaka aza ity fiaraha-miasa ity dia azo antoka fa sady hisy asa hiforona hoan’ireo olona sahirana no hadio ihany koa ny tanan’Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.