Mbola misy ihany ireo mpianatra tsy mahazo vatsim-pianarana sy fampitaovana eny Ankatso amin’izao fotoana na dia efa miditra amin’ny enim-bolana faharoan’ny taom-pianarana aza ny eny amin’ny oniversite.
Taorian’ny fivoriana nataon’izy ireo ary dia mampaneno lakolosy ireo mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny Siansa ary manome fe-potoana hatramin’ny zoma 22 janoary ho avy izao ny mpitantana eny amin’ny oniversite sy ny fanjakana mba hanome daty mazava amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Ahiana ny hisian’ny fitokonana manomboka amin’ny herinandro ambony io raha toa ka tsy misy ny valin-teny mazava, hoy ireto mpianatra ireto. Amin’izao vanim-potoana izao no tena mafy ny fianarana satria manomana ny fanadinana, mitombo ihany koa ny fandaniana ara-bola ka izany no antony hitakianay ny vatsim-pianarana sy ny « équipement », hoy ireto mpianatra avy ao amin’ny Siansa ireto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.