Actualités

Fakiolten’ny Médecine Ankatso May ny biraon’ny sojabe


  • Talata 09 Desambra 2014

Tsy fantatra intsony izay zava-miafina ao amin’ny fakiolten’ny sampana fitsaboana Ankatso. Ny alin’ny alahady lasa teo mantsy, tokony ho tamin’ny 1ora maraina dia fantatra fa nisy nandoro ity toerana ity

Raha ny fanazavana voaray dia lasantsy mihitsy no nentin’ireo mpisompatra nandoro ny toerana. Voalaza mantsy fa mbola hita sy heno tao ny fofona sy ny zerikanina nisy izany. Tsiahivina fa ny  2 novambra lasa teo no efa nisy nisompatra ihany koa ny ivontoerana ka nisy ny zavatra very sy ny fahasimbana efa hita. Tsy fantatra marina moa ny tena tian’ireo izay nikendry izany hahatongavana. Misy ve ny   hafenina sa ho simbaina ihany koa ity sampana ity ? Sa sanatria hasomparana sy alahelo tsotra izao no atao ? Manoloana iny tranga iny dia nisy ny fanambarana nataon’ireo fikambanan’ny mpampianatra ao amin’ity fakiolte ity ka nilazan’izy ireo fa dia manameloka tanteraka ny zava-misy izy ireo. Fampihorohoroana, hoy izy ireo, izao atao izao ary fanakanana ny mpampianatra hanao ny asany. Araka izany dia mitaky ny hamaizana ireo izay nahavanon-doza izy ireo. Fantatra fa tsy nisy nanimbinana ny  taratasim-panadinana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT