Actualités

Fakana « Transformateur » teny Manakambahiny Nifandona ny mponina sy ny Emmoreg


  • Zoma 29 Aprily 2016

Nangotraka ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmoreg sy ny mponina teny Manakambahiny omaly.

 

Tsy nanaiky mantsy ireto farany fa  nanakana ny fakan’ ny  orinasa JIRAMA ny « transformateur »-n’izy ireo izay hafindra mba hamatsy herinaratra ireo mponina eny Ambodin’Isotry.  Nisy  ny fandravan’ny Emmoreg  ny sakana nataon’ny mponina nandritra izany izay niafara tamin’ny fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso. Tsy nahatohitra izany ireto farany ka tafiditra soa aman-tsara ny JIRAMA sy ny mpitandro ny filaminana ary dia lasa ihany ilay transformateur. Raha araka  ny fanazavan-dRalaivao, tale teknika misahana ny fitsinjarana ny jiro eto Antananarivo dia tao Manakambahiny no nahitan’izy ireo vahaolana farany satria manana transformateur roa izy ireo izay manana tanjaka 110-220 voltes ny iray raha mahatratra 220-380 voltes ny iray. Itsy voalohany anefa tsy miasa ary tsy misy intsony eto amintsika raha tsy manafatra indray ka tsy maintsy nandraisana fepetra manokana.  Tsy afaka  hiandry enim-bolana rahateo ireo mponina eny Ambodin’Isotry vao hirehitra jiro. Niandrasana mpitandro ny filaminana mihitsy ny fakana ny fitaovana izay naharitra ora maromaro. Nisy ny fahatapahan-jiro fa omaly hariva ihany dia niverina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT