Ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana no nitory manoloana ny fidirana tsy ara-dalàna sy fizarazarana tanim-panjakana teny Nanisana,
hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena notronin’ny solontena avy amin’ny polisim-pirenena miara-miantsoroka ny fanadihadiana. Natsangana rahateo ny fanadihadiana iraisana rehefa nahazo toromarika izy ireo, ka ny Kolonely Bototsara James no mitarika izany. Nidina ifotony teny an-toerana, ka olona 10 voatonontonona ao anatin’ny raharaha. Hita fa misy ny vesatra, ka tsy maintsy nentina teny amin’ny fitsarana ny raharaha ny zoma lasa teo. Ny andininy faha-96 amin’ny fehezan-dalàna famaizana no manamafy fa raha misy fidirana tsy misy taratasy sy fizarana tanim-panjakana, ary indrindra fa fanimbana fotodrafitrasa efa misy dia tsy maintsy misy ny fisamborana. Misy manamboninahitra lefitra avy amin’ny zandarimaria mihitsy aza tafiditra, ary anisan’ny natolotra ny fitsarana. Misy ihany koa mpilaza vaovao na mpanao gazety iray, ary olon-tsotra ny ambiny. Eo amin’ny 1ha latsaka kely eo ny tany nozarazaraina. Raha ny fitoriana, dia tamin’ny 21 janoary lasa teny amin’ny mpitandro filaminana. Tamin’ny fitsidihana, dia nahitana fa efa nisy fefy natsangan’ny minisitera, saingy mbola nisy ny ninia niditra amboletra. Araka ny taratasy nandritra ny fanadihadiana, dia tanim-panjakana io tantanin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana izy io, hoy hatrany ny fanazavana. Nomarihin’ny mpitandro filaminana fa ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona ny asan’izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.