Niakatra avokoa ny saran’ny fikarakarana ireo karazana taratasy momba ny fitaterana mandalo eo ambany fahefan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT.
Anisan’ireny ny fahazoan-dalana mitrandraka zotra na ny « licence d’exploitation », ny taratasy fahazoan-dalana manokana na ny « autorisation spéciale » ary ny saram-pisoratana anarana amin’ny fanadinana fahazoan-dalana mamily fiarakodia na ny permis de conduire. Tsy misy intsony ny mari-bola tokana toy ny teo aloha, hoy ny tale jeneraliny ny kolonely Andry Rakotondrazaka mba hahafahan’izy ireo manatanteraka araka ny tokony ho izy ny andraikitra ankinin’ny fanjakana aminy. Ho an’ny permis de conduire manokana dia niakatra ho 10.000 ny saram-pisoratana anarana amin’ny fanadinanana ho an’ireo maka ny sokajy A na A’ raha 50.000 Ar izay ho an’ireo teratany vahiny. Niakatra ho 15.000 isanisany kosa ho an’ny sokajy B, C, D ary E raha 75.000 Ar ho an’ireo teratany vahiny. Ho an’ny licence sy ny autorisation kosa indray dia fantatra fa miankina amin’ny sanda alaina amin’ny vidin’ny toerana iray hampitomboina ny isan’ny andro iasan’ny fiara hampitomboina ny isan’ny toerana handoavam-bola no vola alainy amin’izany raha mari-bolana tokana teo aloha. Hihatra manomboka ny fiandohan’ny volana Febroary ho avy izao moa ireo mari-bola vaovao ireo raha araka ny fantatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.