Ho an’i Faneva Raholdina mpandalina politika dia hampihemotra ny mpandraharaha rehetra, indrindra fa ny vahiny ny fihetsika tahaka izany, efa mpandraharaha mantsy Ravalomanana Marc ankehitriny, hoy izy fa tsy mpanao politika.
Ataon'ireo mpandraharaha vahiny ahoana no hatoky ny fanjakana tsy haka ny taniny raha hividy tany eto izy ka hanangan-javatra ? Ankoatra izay, rehefa mandray fanapahan-kevitra tahaka ireny ny fanjakana, indrindra mahakasika ny mpandraharaha dia izao tontolo izao mihitsy no indray mahare fa tsy isika eto Madagasikara irery ihany. Antony iray mety hampitombo hatrany ny tsy fahatokisan'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena antsika io. Notsindriany manokana fa raha ny fanjakana tamin'ny taona 2009 no naka ny tanin'ity filoha teo aloha ity dia ny fanjakana amin'izao no tokony hiaro sy hitahiry azy. Matoa nanangana ny HVM ny fitondrana amin'izao dia tsy nety ny nataon'ny MAPAR, anisan'ireny ny fakana ny tanin'ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nohamafisiny fa tsy misy afa-tsy ny fandaminan-javatra ihany no azo atao amin'ny maha ray aman-dreny sy zanaka ny roa tonta. Tsy fiarovana be fahatany ny filoha teo aloha Ravalomanana akory no antony nanambarana izany fa ho tombontsoan'ny firenena Malagasy rahampitso, hoy izy.
Légende :Miaro an-dRavalomanana i Faneva Raholdina
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.