Na sarotra aza ny fanangonana ny vaovao noho ireo fianakavian’i Moustapha Azir izay tena mangina tsy manome vaovao mihitsy, dia misy ihany ireo teratany karana mahalala tsara ny raharaha sy ny fianakaviany mba miresaka ny zava-misy hahafahana manara-maso ireo nahavanon-doza sy ny fivoaran’ny raharaha ihany koa.
Ny vaovao farany dia nifandiso ilay karana saika hosamborina. I Moustapha Azir anefa no tratra ka nanahirana ireo mpaka an-keriny ny nitaky ny vola tena notadiavin’izy ireo. Fantatra mantsy fa nidina ho 100 tapitrisa ariary sisa ilay 1,4 miliara ariary notakian’ireo naka azy an-keriny tany am-boalohany, izay efa toa naloa ny antsasany 50 tapitrisa ariary ka miandry ny ambiny faharoa ireo jiolahy dia mamotsotra azy amin’izay. Ho hita eo anefa ny tena marina mikasika ity raharaha ity. Ny mahagaga, tsy fantatra na tsy fahatokisana mpitandro ny filaminana na noho ny tahotra ny fandrahonan’ireo mpaka an-keriny na tsy vonona ny hiara-kiasa amin’ny fanjakana tsotra izao, fa tena maizina sy tsy misy ny fiaraha-miasan’ireo fianakaviany amin’ny mpitandro ny filaminana hatreto, izay efa nanaovan’ny minisitry ny filaminam-bahoaka antso nefa tsy nisy nanohina hatreto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.