Actualités

Fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie Olona efatra indray no voasambotra


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Taorian’ny nampidirana am-ponja ireo olona folo voarohirohy tamin’ilay resaka fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tany Toamasina ny taona 2015 dia nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny polisy misahana ny Heloka bevava etsy Anosy sy ny « Police Judiciaire » Toamasina.

Ny sabotsy, 23 janoary  lasa teo dia voasambotry ny zandary tany Anivorano Brickaville i Etienne. Nitohy tany Toamasina ny fikarohana nataon’ny polisy ka olona miisa 3 no voasambotra ary vehivavy ny iray tao anatin’ny telo andro monja. Ireto olona nosamborina ireto dia voaporofo fa nifandray sy niray tsikombakomba tamin’i Tidakely tamin’ny alalan’ny finday nandritra ireny fakana an-keriny niseho tany Toamasina ireny. Ny iray tamin’ireo dia fantatra fa tompon’andraikitra iray ao amin’ny Kaominin’i Toamasina. Izy ity izay voalaza fa mitazona ireo fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo ankoatra ireo tratra nandritra ny fifampitifirana tao Toamasina. Nisy ihany koa ny fanadihadiana natao tamina miaramila iray. Ity farany moa dia efa migadra ao Ambalatavoahangy noho ny resaka fanakanan-dalana. Ankoatra izay dia nisy ihany koa mpandraharahan’ny fonja iray namoahan’ny Fitsarana Didy Famonjana noho ny raharaha fakana an-keriny sy fikambanan-jiolahy ary Fisolokiana ny taona 2014, izay efa migadra any Ankazobe. Ankoatra izay, vehivavy iray  fantatra amin’ny anaram-bositra hoe : Kalanoro izay nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora  ny 20 oktobra 2014 noho ny raharaha fakana an-keriny sy fikambanan-jiolahy nefa dia voalaza fa nandositra ny Fonja ny 27 jolay 2015 lasa teo koa no tafiditra amin’ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT