Actualités

Fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie Naverina nosamborina indray i Dimitri


  • Talata 09 Febroary 2016

Taorian’ny fisamborana ilay mpiasan’ny kaominin’i Toamasina niasa teo anivon’ny fiambenana ny fasam-bahiny sy efa nihazona ny fiarovana manokana ny

 

PDS Rakotovao Mariot, niaraka tamin’ireo olona mianadahy nisamborina niaraka taminy izay efa samy nakarina eto Antananarivo, dia naverina nosamborina indray i Dimitri raha efa nahazo famotsorana vonjimaika tamin’ny mpitsara mpanao famotorana tamin’ny fisamboran’ny Gsis azy ny taona lasa. Araka ny vaovao marim-pototra azo anefa dia tsy nahafaly ny fampanoavana izay nanenjika azy ny fahazoany io famotsorana io ka nahatonga ity farany nametraka fanoherana teo anivon’ny “chambre d’accusation” ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka namoahan’ireto farany ny didy vaovao ny 30 desambra 2015 amin’ny fisamborana an’ingahy Dimitri indray sy ny itondrana azy  hiatrika fanadihadiana. Ny 30 desambra teo no nivoaka ny didy fisamborana azy, tsy hita mihitsy ingahy Dimitri raha tsy ny 4 febroary teo. Fantatra izao fa hafindra aty Antananarivo izy. Anisan’ny miandry ny fampiakarana azy eto Antananarivo ilay serza Pelomaro miasa eo anivon’ny RM3 Toamasina, ilay miaramila nanao fanakanan-dalana tamin’ny RN5 tamin’ny PA kilalao, ka nahazoan’izy ireo vola 24 tapitrisa ariary tamin’ity mpivarotra hividy entana.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT