Misy andiana mpitandro ny filaminana avy amina faritra roa eto Madagasikara nanambara fa tsy hanaiky raha tsy voasambotra avokoa ireo olona rehetra voakasika tamin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud.
Mbola hitohy hatramin’ny anio ny fanadihadiana ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity. Araka ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia mbola hitohy ny fisamborana satria maro ireo olona ahiahiana amin’ity raharaha ity ary tsy maintsy mbola hohenoina. Araka ny vaovao azonay hatrany dia misy olona ambony tsy ampoizina tsy maintsy hosamborina amin’ity raharaha ity. Misy anarana manamboninahitra jeneraly ihany koa voatonontonona ao. Niteraka ahiahy amin’ireo mpanara-baovao ny mety hahafaty an-karanany ny fanadihadiana noho ny nahafaty ireo olona mahalala tsiambaratelo. Nanamafy kosa ny mpitandro ny filaminana maromaro fa betsaka amin’ireo voarohirohy ireo no mahalala ny tena zava-nisy ka tsy maintsy hivoaka ny marina.
Tsy hanaiky hatramin’ny farany
Nanambara koa ireto mpitandro ny filaminana ireto fa tsy hanaiky hatramin’ny farany raha tsy ny marina rehetra no mivoaka. Ampy izay ny fanamparam-pahefana, hoy izy ireo. Momba ilay olona voasambotra tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana afak’omaly dia fantatra fa zaodahin’i Freddy Jean Mahatody ilay mpiandry fonja misazy mandrapahafaty izy io. Ilana fitandremana sy fahamalinana fatratra ity raharaha iray ity satria be loatra ireo olona tsy ampoizina no voasaringotra ao amin’ny fanadihadiana ary tsy vitsy amin’izy ireo no tsy matahotra ny hamono hahafaty izay manelingelina azy ireo noho izy ireo efa mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna sy tsy maty manota, araka ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana tafaresaka taminay hatrany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.