Actualités

Fakam-baovao teny Ivato Voahelingelina fatratra


  • Talata 11 Oktobra 2016

Vokatry ny fahazoan-dalana taraiky izay vao azo io omaly io dia somary tara avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao gazety tonga teny amin’ny CCI Ivato raha nikasa haka vaovao.

Nisy ny somary fifanolanana teo amin’ny mpikarakara sy mpanao gazety vokatr’izany ary dia nanazava ny mpikarakara ny maraina fa ireo avy amin’ny haino aman-jeri-panjakana (RNM sy TVM) ihany no afaka miditra satria ireo no tonga ara-potoana. Niezaka nanazava ihany koa moa ny mpanao gazety fa tsy fidiny ho azy ireo no tonga tara fa nohon’ny fahazoan-dalana taraiky no antony. Tsy nifanjohy hatrany anefa ny tadin-dokanga ary dia sahirana ireo mpanao gazety vao mba nahazo anjara masoandro vary iray venty. Hatramin’ny mpaka sary aza dia noferana ny sary azon’izy ireo nalaina ary dia nasaina nivoaka avy eo.

Mirija

Sary: Rakotobe Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT