Actualités

Fahitalavitra Africanews Novidian’i Ylias Akbaraly 20 tapitrisa dolara


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Novidian’ilay mpandraharaha karana mizaka zom-pirenena Malagasy Ylias Akbaraly tompon’ny vondron’orinasa matanjaka indrindra eto Madagasikara dia ny Sipromad ny orinasan-tseraresera dia ny Televevizonina panafrikanina Africanews, izay an’ny Euronews NBC.

 

Taorian’ny fifampiraharahana nandritra ny volana maromaro, dia lasany tamin’ny vidiny 20 tapitrisa dolara io, raha ny vaovao navoakan’ny Gazetiboky Jeune Afrique. Manana ny petra-bola 60% ao anatin’io Euronews NBC io ilay mpanefoefo Ejiptianina Naguib Sawiris), ary izao lasan’ny Sipromad izao ny Africanews anisan’ny tena matanjaka ao anatiny. Ny volana aogositra 2018 dia efa novidian’i Ylias Akbaraly ihany koa ny orinasa Thomson Broadcast misehatra amin’ny tontolon’ny fitaovana sy fampitaovana ary ny rindram-baiko amin’ny sehatry ny haino aman-jery. Arak’io loharanom-baovao io ihany dia mety hafindran’ny Sipromad any Abou Dhabi (Arabie Saoudite) ny foibe toeran’ity televiziona ity izay tany Pointe noire (Congo-Brazzaville) no nisy azy hatramin’izay. Fampahafantarana sy fanitarana bebe kokoa ny orinasany sy ny fandraharahana ataony hivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’io fividianana ny Africanews io. Midika io fa mivelatra sy mitombo ny ambaindain’ny harena sy ny fandraharahana ataony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT