Naneho fialan-tsiny ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly hariva taorian’ny kiana maro samihafa mahakasika ny lesoka tamin’ny fampitana sy ny fitantarana mivantana ny fizotran’ny teny Mahamasina tamin’ny TVM,
amin’ny maha mpiahy voalohany ny ORTM azy. Nanameloka ihany koa ny teny naneho fanavakavaham-bolonkoditra nataon’ny mpanao gazety nitantara nivantana ny matso tamin’ny haino aman-jerim-panjakana. Nolazaina tao moa fa Afrikanina tahaka antsika ihany ny Rwandais fa somary mainty, ankoatra ny tsy fahafehezana ny manodidina ny mpitandro filaminana ka toa lasa niteniteny foana indraindray. Nilaza ho miroso amin’ny famotorana ny tena zava-nisy marina ny minisitera ary handray fepetra mifandraika amin’izany, toy ny sazy ara-pitsipi-pifehezana. Hisy fepetra horaisina mikasika ny olana ara-teknika. Toa tsy te ho tompon’andraikitry ny tsy fahatomombanana ny minisitera fa ny sazy no hamafana sy hanarontsaronana ny lesoka. Etika tsy nisy, fanaraha-maso tsy misy, fandaminana tsy misy, fahafehezana ilay tontolo tsy misy,… ary ny tena loza dia miteraka olana ara-diplomatika (Incident diplomatique) ireny. Ny minisitra sy ekipany anefa no mailaka nanolo olona sy tompon’andraikitra maro be tao anatin’ny ORTM vao nahazo fahefana. Raha haino aman-jery amin'ireo sokajiany ho mpanohitra no nanao tahaka ireny dia mety tsy misy fampitandremana akory fa tonga dia akatona. Hisy tompon’andraikitra ambony hahatsapa tena hametra-pialana ve noho iny raharaha iny ? Ankoatra izay, naneho fiondrehana am-panajana teo anatrehan’ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra ity minisitera ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.