Actualités

Fahavaratra Hisy rivodoza 2 hamely an’i Madagasikara


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Rivodoza miisa 2 hatreto no fantatra fa mety hiditra eto Madagasikara, raha ny fanazavana azo avy eo anivon’ny sampana fampahafantarana ny toetry ny andro.

 

 

 

Miisa 4 eo kosa ireo andro ratsy mety hanembantsembana ny toetr’andro, raha ny taona 2020 hatrany no resahana. Efa tamin’ny volana oktobra moa no nanazava ireo teknisianina fa tsy maintsy hisy fiantraikany ity maripana somary niaka-midina nanomboka ny volana oktobra ity ary mety mbola ho tody hatramin’ny volana aprily izany. Hisy fiakaram-bato avy any an-dranomasina indray ve na sanatrian’izany vato hikodia eny amin’ireo toerana avo toa an’Ambaninampamarinana ? Tsy mbola eto an-toerana moa ny tompon’andraikitry ny BNGRC izay tokony hamaly ny fanontaniana mikasika ny toe-draharaha saingy raha ny fanazavana farany kosa dia efa nisy ny fandrarana ireo mponina amin’ireny toerana avo ahiana hidiran-doza ireny ny amin’ny mba tsy hiverenan’izy ireo eny intsony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT