Ny fahantrana lalin’ny Malagasy no tena antony mahapotika isan’andro isan’andro ny tontolo iainana. 73% no miaina anatin’ny tsy fahampiana ary maherin’ny 80% ny any amin’ny tontolo ambanivohitra no miankina tanteraka amin’ireo zava-boary avy amin’ny tontolo iainana.
Ny tsy fahampiana ara-bola no manosika ireo tantsaha hanapaka ny ala sy handoro tanety. Etsy an-daniny dia kely loatra ary tena tsy ampy ny tetibola atokan’ny fanjakana anaovana asa hiarovana ny tontolo iainana. Zara raha misy 2% amin’ny totaliben’ny tetibolam-panjakana izany, hany ka tsy ahavitana ireo dingana maro tokony hatao. Na misy aza ireo tetikasa maro momba ny tontolo iainana dia miverina amin’ny niaingana hatrany rehefa tapitra noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso. Fa ankoatra izay dia antony mahatonga ny fahasimban’ny tontolo iainana ihany koa ny fifindra-monina. Matetika rehefa ringana mantsy ny ala sy ny hazo misy amina tanàna iray dia mitady toerana hafa indray ny olona kanefa tsy mba namboly hazo izy hanoloana ireo voatapaka. Araka izany dia eo amin’ny toerana vaovao indray izy ireo no mandoro tanety sy mandripaka ala dia tahak’izay hatrany hatrany. Manginy fotsiny ny kolikoly rehetra ataon’ny mpaka sy mpangalatra ny hazon’i Madagasikara izay tsy misy fandraisan’andraikitra mazava avy amin’ny fanjakana. Manoloana ny zava-misy dia misy ny ezaka maika tsy maintsy ataon’i Madagasikara araka ny nambaran’ny teo anivon’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD). Ankoatra ny ady amin’ny fahantrana izay tena laharam-pahamehana dia ilaina manomboka izao ny fanatsarana ny fitantanana ireo faritra voaaro. Tokony harovana ireo sisa ananana ireo satria mbola misy hatrany amin’izao ny fanapahana ala sy ny fitrandrahana ary ny fanondranana hazo an-tsokosoko eny amin’ireny toerana ireny. Mila ampitomboina ihany koa ny tetibolam-panjakana atokana amin’ny fiarovana amin’ny tontolo iainana ary tohizana sy arahana maso ny asa izay natomboka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.