Actualités

Fahasalamana Ny diabeta matavy no tena mahavoa ny Malagasy


  • Zoma 08 Aprily 2016

Nifantoka tamin’ny ady amin’ny aretina diabeta ny fanamarihana ny andro iraim-pirenena omaly 7 aprily. Olona 920 000, izany hoe ny 4%-n’ny Malagasy no voan’ity aretina ity.

Ho an’Antananarivo manokana dia diabetika ny 8%-n’ny mponina eto. Araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny AMADIA  (Andia Malagasy Miady amin'ny Diabeta ) dia ny diabeta sokajy faha-2 na diabeta matavy no tena hita eto Madagasikara. Antony mahatonga an’io ny tsy fanetseham-batana araka ny tokony ho izy, ny fomba fisakafoanana ary ny rarin-tsaina (stress). Tsy mety ny manao dokotera tena rehefa misy ity aretina ity fa tsy maintsy manantona mpitsabo sy manaraka ny toromarika rehetra omeny.Mifanome tanana miady amin’ny diabeta sy mikarakara ireo marary eto amintsika ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny AMADIA. Mbola lafo ny fitsaboana ny diabeta, mety mahatratra hatrany amin’ny 130 000 Ar ny fanafody iray, ka izay indrindra no anton’izao hetsika omaly izao izay nanaovana fitiliana sy nanomezana toromarika maimaimpoana ho an’ireo izay tonga teny amin’ny HJRA.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT