Actualités

Fahasalaman’ny ativava Ratsy nify ny 98%-n’ny olon-dehibe Malagasy


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Araka ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia 80%-n’ny ankizy Malagasy no ahitana nify loaka iray farafahakeliny, 98% kosa ireo olon-dehibe iharan’izany.

 

  Vinan’ity minisitera ity moa ny hametraka ivontoerana manara-penitra mba hitsinjovana izay fahasalaman’ny ativava izay amin’ny taona 2020. Tanjona tratrarina ihany koa ny hampihenana ny taham-pahafatesana vokatr’izay tsy fahasalaman’ny ativava sy ny nify izay. Raha ny fenitra napetraky ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana dia tokony hisahana marary nify 1 000 ny mpitsabo nify iray. Eto Madagasikara anefa dia mbola azo lazaina ho ezaka be ny hahatongavana amin’izany satria dia marary nify 20.000 no sahanina mpitsabo nify tokana.

 

Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT