Actualités

Fahasalamam-bahoaka Mbola ambony ny tahan’ny areti-mifindra eto Madagasikara


  • Talata 23 Septambra 2014

Mbola ambony ny tahan’ny areti-mifindra eto Madagasikara raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Nisy ny atrikasa notanterahin’ireo komity miady amin’ny aretina tsy azo tsinontsinoavina na ireo aretina mpahazo ny tany mahantra ny faran’ny herinandro teo.

Voalazan’izy ireo tamin’izany fa mbola tokantrano telo ka hatramin’ny dimy ao anatin’ny tanàna iray  no voan’ity aretina ity eto amintsika. Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ireo aretina mpahazo ny tany mahantra ireo ny habokana, ny raboka ary ny pesta. Nandritra ny atrikasa ihany koa dia nisy ny fananganana ny vaomiera isan-tokony enti-miady amin’ny areti- mifindra ka ao anatin’izany dia nasiana ny vaomieran’ny vola sy ny fanentanana, eo ihany koa ny vaomiera miady sy miaro amin’ny aretina ary ny vaomiera mandrindra ny serasera  eo anivon’ity komity ity. Raha ny nambaran’Atoa Luc Herman Randrianirina filohan’ny komity mpikarakara dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana samihafa mba hampahomby ny hetsika ka hisy ny paikady manokana entina manatanteraka izany eny anivon’ny fokontany sy ny faritra isanisany. Nanohana sy nanampy  tamin’ny fikarakarana ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

Hijery ny tohiny
FTT