Sahy ny olona amin’izao. Izy mamo indray no miantso polisy, hoy ny fiteny mahazatra, ary tanteraka ara-bakiteny izany ny alahady teo, tany Toliara. Lehilahy iray monina ao Andaboly Toliara, mamon-drongony vao maraina no nitora-bato nirarakopana ny « commissariat de police »kaomisarian’ny polisy ao Betania, ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsy vitan’izay fa mbola niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny polisy ihany koa ity lehilahy ity, ary niraradraraka ny ompa sy teny ratsy nihatra tamin’ireo mpitandro filaminana niasa sy niandry raharaha tamin’io andro io.
Niditra an-keriny
Talohan’izao, raha ny vaovao voaray, dia io alahady naraina io ihany, dia nila vaniny tao amin’ny biraon’ny « commissariat central » Bazaribe Toliara ity rangahy ity, ary nilaza fa haka ny kidorony, ary tsy matahotra ho faty raha tifirin’ny mpitandro ny filaminana. Notambatambazan’ireo polisy tao izy, ary tsy afa-po dia lasa indray nanakorontana ny biraon’ny polisy faharoa ao Betania. Efa any am-ponja miandry ny fitsarana azy ity lehilahy ity amin’izao, raha ny fampitam-baovaon’ny polisy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.