Efa hita taratra ny ezaka amin’ny famongorana ny fahantrana manerantany. Raha manodidina ny 13% mantsy ireo mahantra fadiranovana tamin’ny taona 2012 dia sambany latsaky ny 10% izany, araka ny vinavina amin’ity taona 2015 ity.
Misongadina kosa anefa ny tranga mifanohitra amin’izay ho an’ireo firenena afrikanina aty atsimon’i Sahara. Mahatratra hatrany amin’ny 35,2% ny salan’isan’ireo mponina miaina ao anatin’ny fahantrana lalim-paka. Mampanahy be ihany noho izany io tsy fahafahan’ity faritra aty Afrika ahitana an’i Madagasikara manaraka ny dingana fampihenana ny fahantrana manerantany ity, hoy ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny tatitra nivoaka mialoha ny fivoriamben’ireo mpamatsy vola mahazatra eo anivon’ny Bretton Woods tao Lima farany teo. Tokony hifototra amin’ny harinkarena misandrahaka miainga amin’ny sehatra fampidiram-bola sy ny fampiasam-bola mba hivelaran’ny isam-batan’olona amin’ny alalan’ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fiarovana ny mponina mahantra sy fadiranovana ny asa takiana amin’ireo tompon’andraikitra. Ho mora kokoa amin’izay ny fisorohana ny tsy fananana asa, ny hanoanana, ny aretina sy ireo karazana loza voajanahary. Hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo olona niangaran’ny vintana ny fandraisana ireo fepetra ireo, hoy ny filohan’ny Banky iraisam-pirenena Jim Yong Kim.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.