Actualités

Fahamaroan`ireo voafonja Handray fepetra ny fonjan`i Tsiafahy


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Avo telo heny ny tokony ho izy no isan`ireo voafonja ankehitriny satria miisa 1062 izy ireo amin`izao fotoana izao raha to aka 300 no zaka. 370 amin`izy ireo no miandry fitsarana ary 443 kosa no efa voaheloka mannefa ny saziny.

 

 

 

Karazan`olona nahavita heloka bevava toy ny vono olona, halatra fanafiana mitam-piadiana, no alefa manefa sazy eny anivon`ny fonjaben`I Tsiafahy. Nahazo vahana ihany koa ny fakana an-keriny na kidnapping nahavoatazona olona 38 . Manoloana izany, miezaka hatrany ny ministeran`ny fitsarana sy ny fandrarahana ny fonja mitady vahaolana kai san`izany ny fanafainganana ny fomba-pitsàrana eo anivon`ny fitsarana, hoy Zafilahy Vonjy Stephanson Talen`ny fonjaben`i Tsiafahy. Hanavao politikam-pitantanany ny fonja ka hafindra any amin`ny fonja hafa tsy dia feno loatra ny voafonja efa nahavita sazy mihaotra ny 15 taona raha voaheloka mandra-pahafaty. Marihana fa 18 taona ny  voafonja zandriny indrindra ao Tsiafahy ka 75 no zokiny. “Mifampitsinjo dia mandamina ny fiarahamonina”, izay no fomba fiasa apetraky ny mpiasa rehetra eo anivon`ny fonjaben`i Tsiafahy. Nisy, araka izany, ny hetsika sosialy niarahana tamin`ny fikambanan`ny vehivavy vadin`ny mpiasa nampifalifaliana ireo mpandraharan`ny fonja sy ny ankohonany nizaràna kilalao sy vato mamy amin`izao fetin`ny Noely izao.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT