Actualités

Fahamaizana teny amin’ny FLM Ambatovinaky 10mn dia voafehy ny afo


  • Talata 07 Mey 2019

“Folo minitra dia voafehy tanteraka ny afo. Efa efitra efatra no kila forehitra. Ny trano roa tao ambony izay niavian’ny afo no nihintsana tao ambany ka nahahotohoto tanteraka ireo efitra efatra ireo.

 

 

 Vao naharay antso izahay tamin’ny 7ora sy sasany maraina omaly dia namonjy hatrany teny amin’ny Trano vadim-piangonana Ambatovinaky. Antso tsy hifandrenesana koa no tonga taty aminay. Fiara efatra avy eo amin’ny foibe Tsaralalana sy Andravoahangy no nentina saingy ny telo ihany dia nahafehy ny afo”, hoy ny komanda Randrianarisoa, mpitarika ny mpamono afo nanatanteraka ny vonjivoina teny an-toerana raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay. Araka ny filazan’ny manodidina, raha sendra tara ny tompon’andraikitry ny famonoana afo dia niitatra ny afo, indrindra tamin’ireo trano manodidina sy ny fiangonana. Ankoatra ny mpamonjy voina, nankasitraka ny firaisankinan’ny mponina sy ny foibe ny tompon’andraikitra.  “Hotohoton’ny afo ny tranom-pitandremana eto amin’ny FLM Ambatovinaky. Niharam-boina tokoa, may ny ankamaroan’ny fanaka sy ny antontan-taratasy. Nefa tsy nisy naratra sy namoy ny ainy ny pastora mpitondra ny fitandremana sy ny ankohonany. Mankasitraka feno ny mpamonjy voina, ny mpiara-belona tety an-toerana sy ireo olom-pirenena rehetra ary indrindra ny  ao amin’ny foibe FLM tonga nidodododo nifanampy sy nifankahery tamin’ny famonoana ny afo. Misaotra an’i Jesosy hatrany fa efa maty ny afo ary niaro ny ain’ny mpanompony.” Io no fampitam-baovao ofisialy avy tamin’ny Fiangonana Loterana Malagasy eo Ambatovinaky.  Raha ny loharanom-baovao voaray dia may tsinahy vokatry ny pitik’afona herinaratra izany ary tsy misy ifandraisany amin’ny rahahara “Notre dame de Paris” izay voizin’ny olompirenena sasany amin’ny tambajotran-tserasera.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT