Actualités

Fahamaizan ‘ny RLM Communication Mampatsiahy ny “Lundi noir”


  • Talata 08 Janoary 2019

May kila forehitra ny marainan’ny omaly alatsinainy 7 janoary ny foiben'ny vondron’orinasan-tserasera RLM Communication etsy Ankorondrano.

 

 

 

Tokony ho tamin'ny 1 ora mahery tany ny firehetana, ary tsy voafehy ny afo raha tsy tany amin'ny 5 ora. Hotohoton’ny afo ny birao sy toeram-piasana samihafa sy ny fitaovana. Mandeha ny fanadihadiana. Raha ny tombana vonjimaika, dia fandoroana niniana natao no nisy ary heverina fa tsy tongatonga ho azy fa misy hifandraisana amin’ny toe-draharaham-pirenena. Nisafidy ny niara-niasa sy nanolo-tanana an'i Marc Ravalomanana ny Vondrona RLM Communication ahitana ny, On’Air Radio-Télévison, AZ Radio-Television, ny gazety Triatra, Ligne De Mire, La Dépêche, Akon'i Madagasikara, Le Citoyen,… miampy ny Lachasse-info.com sy 24h Mada. Nanome vahana ny tolona hitakiana ny fahamarinana ary tsy nitsitsy fitenenana teo anatrehan’ny zavatra heverina fa tsy ara-drariny, indrindra fa tamin’ny fifidianana. Izany ve no antony nandoroana ny Foiben’ny RLM Communication mba hisakanana ny famoahana ny marina ? Mampahatsiahy ny zava-nisy teto tamin’ny 2009 ny zava-misy. Tohina ny foko, ary malahelo sady tezitra aho naheno an’io toe-javatra io, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, iray amin’ireo mpitari-tolona notorian’ny primatiora. Zavatra efa fanao efa tamin’ny 2009 no mitamberina ao an-tsaina. Angaha tsy misy zavatra hafa azo hatao hevitra fa tsy maintsy izao ? Raha ny fahitako azy dia fandoroana niniana natao, ary aleo handeha ny fanadihadiana raha tsy izay kosa no antony, hoy izy. Nampahatsiahiviny fa maro ny haino aman-jery natao tahaka izao tamin’ny 2009, toy ny RNM, TVM, MBS,… ka manameloka tanteraka raha noho ny antony tahaka ireny mbola naverina. Ho azy, ny zavatra ohatr’izao tsy tongatonga ho azy fa misy fifandraisana avokoa ny zava-niseho tao anatin’ny herinandro. Nanao serasera ho an’ny K25 ny RLM Communication, ary ireo no tadiavina hotapahin-doha satria efa nisy ny fitoriana ireo tompon’andraikitra maromaro, raha ny nambarany. Omaly dia moa dia nisy ny resaka nivoaka fa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka sisin-tany (IST) ny Filoha Tale Jeneralin’ny RLM Mbola Rajaonah, ny mandrindra ankapobeny Rolly Mercia, sy ny mpanao gazety Fidèle Razara Pierre,… sy ireo rehetra notorian’ny primatiora.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT