Actualités

Fahamaikana nitera-doza Fiara nitondra marary nandratra ankizy teo Tsaramasay


  • Alakamisy 02 Mey 2019

«Nisy ra nandriaka ny arabe, vaky ny lohan’ilay zaza, niparitaka ny nifiny».

 

 

 

 

 Io no filazan’ny raim-pianakaviana iray nanatri-maso sendra ny lozam-pifamoivoizana teo Tsaramasay, afak’omaly

atoandro. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, niampita tampoka ilay ankizy ary nirimorimo nitondra marary hamonjy hopitaly ilay fiaran’olon-tsotra tsy mataho-dalana ka nampipitika tanteraka ilay lasibatra. Avy any Ankorondrano hihazo an’Ankazomanga ilay fiara nonamoa-doza. Vory lanona vetivety ny mponina fa ireo tsy mahatanty ra latsaka kosa nihodina. Vao mainka niampy ny olan’ilay fiara nitondra marary, ny fitsaboana ity farany sy ny andraikitra amin’ilay miady amin’ny fahafatesana. Romotra koa ny mpampiasa lalana noho ny fitohanana izay nanampy trotraka ny amin’iny faritra iny. Taratry ny gaboraraka izao lozam-pifamoivoizana izao. Tsy nampaneno anjombona mitohy ity farany raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Feno olona ihany koa ny anaty arabe, araka ny angom-baovao dia voalaza fa any anaty tanàna no monina ny ray aman-dreniny nefa nisy nilaza fa nisangisangy teny an-dalana niaraka tamin’ny namany ity tra-doza ity.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT