Ny fanadiovana ny tontolon’ny fitsarana mba tsy ho lapan’ny kolikoly intsony, ny fanafoanana ny tsy maty manota ka mba hampitovy torosy ny rehetra eo ambanin’ny lalŕna ...
Saika tamin’izany avokoa no nifaharan’ny lahatenin’ireo mpitondra fanjakana tonga teny Ivato nandritra ny famaranana tamin’ny fomba manetriketrika ny fiaraha-midinika manodidina amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana ny sabotsy teo. Ny filoham-pirenena nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana dia efa nanipy teny momba io fitsarana madio sy tsy andairan’ny kolikoly io mba ho fanoitra amin’ny famongorana ny kolikoly. Ny praiminisitra ihany koa ankoatra ny fanentanana ireo ben’ny tanàna mba tsy ho variana amin’ny loko politika sy ny adilahy politika, fa mba hifototra sy hifantoka amin’ny fampandrosoana ny faritra niaviany avy, dia nampatsiahy izay fahaleovantenan’ny fitsarana izay. Ny andrasana dia ny fampiharana tokoa izay tapaka toy ny tsy famelana ny mpitsara hitoetra mihoatry ny telo taona amin’ny toerana iray sy ny tsy hibaikobaikoana ny mpitsara toy izay niseho tany Betroka nandritra ny fitsarana ny raharaha Falihery fa hananan’ny mpitsara fahaleovantena tokoa. Ankoatra izay dia naharesy lahatra ireo mpizaika avy any amin’ny faritra 22 ny tokony hanomezana sehatra misimisy kokoa ny « quartier mobile » eny anivon’ny fokontany isanisany, ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka tsy mandady harona amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Voaresaka ihany koa ny mikasika ny fampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana saingy ny vola ihany no antony. Fantatra tamin’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana fa hiditra amin’ny tetibolam-panjakana 2016 sahady ny ampahany amin’ny fehin-kevitra nodinihina teny amin’ny CCI Ivato.
Andry RatovoTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.