Betsaka ireo olona te-hahita farany ny nofo mangatsiakan-dRandrenja sy te hitsapa alahelo ireo fianakaviany.
Misy anefa ireo tsy mahita ny tranony ka mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra dia hoentina eny amin’ny tranompokonolona Analakely anio sabotsy hariva ny nofo mangatsiakany ary hiaretan-tory eny mandrapaharainan’ny andro sy rahampitso alahady maraina. Hiainga ao indray ny razana ny alahady amin’ny 1ora folakandro hatao veloma farany ao amin’ny fiangonana FJKM Androndra Fahasoavana, mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Malaza Tanjombato. Tsiahivina moa fa homamiadan’ny tsinay no nahalavo an’ity andrarezin’ny horonan-tsarimihetsika Malagasy iray ity, aretina izay efa nikiky azy nandritra ny enim-bolana. Azon’ny rehetra hatao ny mandrotsaka vola entina hanohanana ny fianakavian’ny maty amin’ny alalan’ireo laharam-pinday roa efa nanaovana tolo-tanana an’Itompokolahy hatramin’izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.