Homarihana anio 3 mey ny andro maneran-tany ho an’ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Nivoaka tamin`ny volana aprily lasa teo ny filaharana maneran-tany eo anivon`ny “Reporters sans frontières” (RSF) momba ny fahalalana momba ny asa fanaovan-gazety. Nijanona eo amin`ny laharana faha-54 toy ny tamin`ny 2018 ihany isika Malagasy. Nihatsara kosa ny isa azo izay 1,56 raha 27,76 tamin`ny 2018 ka nahazoana io isa io amin`ny firenena 180. Eto Madagasikara, mbola voafehy ireo orinasa fanaovan-gazety. Ny toe-draharaha politika amin`ny ankapobeny no mbola mora hanodinana ireo mpanao gazety sy ireo orinasa amin`ny fanehoan-kevitra, hoy ny RSF, indrindra manoloana ireo mpanao politika sy mpandraharaha izay tompona orinasan-gazety. Mifandray amin`ny fandraharahana sy fanaovana politika amin`ny ankapobeny ny asa fanaovan-gazety, hoy ny tatitra navoakan`ny RSF, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nanamafy izany ny fampiasana ny asa fanaovan-gazety amin`ny politika. Efa nisy ny fandaniana lalàna mifehy ny serasera tamin`ny 2016 izay mifandraika amin`ny lalàna famaizana ka mamaritra ny fanasaziana amin`ny resaka fihoaram-pefy amin`ny asa fanaovan-gazety izay mety hampitovy ity asa ity amin`ny heloka hafa. Raha hiverenana ny filaharana, izay manana laharana ambany no mitana ny laharana voalohany ao anatin`ny filaharana RSF. I Norvege no mitana ny laharana voalohany, manana isa 7,82, i Finlande sy Suede no eo amin`ny filaharana faharoa sy fahatelo. Eto Afrika kosa, i Namibie (23), Cap Vert (25), Ghana (27) no mitana ny laharana telo voalohany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.