Hotandindonin-doza atsy ho atsy ny fahalalahana maneho hevitra. Tsikaritra io nandritra ny fitakiana ny rariny sy ny marina nandritra ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Voasoketa ho mpanakorontana sy mpanongam-panjakana izay mihetsika. Voalaza fa sakana ho an’ny fampandrosoana. Giazana sy bodoina toy ny fomba mahazatra ny haino aman-jerim-panjakana mba tsy hivoahan’ny marina rehetra. Anjaran’ny solontenam-panjakana voakasik’izany ny manome fahazoan-dalana mifanaraka amin’ny lalàna, rehefa tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka ary tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny hetsika nahazoan-dalana ny mpikarakara. Tsy tokony hisy ny fanavakavahana na tsindry politika sy hevitra amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Mety hotandindomin-doza ihany koa ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety satria hogejaina amin’ny lalàna mamono fahafahana. Amin’ny ankapobeny, ireo raharaha afenin’ny fanjakana indrindra no ezahin’ny mpanao gazety karohina sy avoaka ka izy no mandajalanja izay tokony havoaka na ireo tsiambaratelom-panjakana aza raha hitany fa mahasoa. Tany demokratika i Madagasikara ary malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny famoriam-bahoaka ary voalazan’ny and.10 ao anatin’ny lalàm-panorenana izany. Mifanohitra amin’izay anefa ny zava-misy. Mahina amin’ny ratsy atao ve ka tsy mahazaka fangaraharana ka tsy misy intsony ny sehatra sy fomba hahazoan’ny vahoaka maneho hevitra ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.