Mahalasa saina ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gerard Rakotonirina, izay nanambara fa tato ho ato dia nisinisy ihany ny fampiantsoana mpanao gazety.
Nisy ihany, hoy izy tamin’ny fitondrana teo aloha saingy tamin’ity tena matetitetika. Izao tokoa ve no antony nananganana ilay antsoina hoe MLE na “Mouvement pour la Liberté d’expression » tamin’ny 3 taona lasa sa tena ny ahazoana fahalalahana hiteny marina araka ny anaran’ny hetsika ? Tsiahivina fa nafana fo tamin’ny fitarihana ireny hetsika ireny tamin’ny fotoan’androny ny minisitry ny serasera ankehitriny, Lalatiana Rakotondrazafy, izay mpahay lalàna rahateo. Mety ve ny fisamborana sy fampiantsoana mpanao gazety andro tsy fiasana ? Raha iverenana ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny holafitra izay nanamafy fa hafa kely ny tamin’ity ary nampametra-panontaniana azy hoe maika ho aiza isika dia hita ho mizotra ho maty momoka ihany iny hetsika tamin’ny 3 taona lasa iny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.