Actualités

Fahaiza-mitarika Vehivavy malagasy miisa 20 no miatrika fiofanana


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Zava-dehibe ho an’ny firenena iray ny fananana olona maro mahay mitarika, tetikasa efa natomboky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nandritra ny nahateo azy tamin’ny fitondrana

. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny IKM Antsahavola, ny fiofanana mifandraika amin’izany,  handraisan’ireo  vehivavy Malagasy  miisa 20 manerana ny faritra 22 eto amintsika. Vehivavy vonona ny hampandroso ny faritra misy azy avokoa izy ireo, hanatrika fiofanana mandritra ny dimy andro tsy an-kiato. Ny « Initiative Citoyenne pour la Consolidation de la paix, Leadership et Stabilité » no tompon’antoka amin’izany izay vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola. Tanjona moa ny hananana vehivavy malagasy mahay mitarika sy manana ny maha izy azy hoenti-mampandroso ny isam-paritra, hanohana sy hanampy ireo efa voafidy ho marin-toerana eo amin’ny andraikitra efa noraisiny.  Hitohy  amin’ny fanofanana ireo Ben’ny tanàna voafidy sy mpanolotsaina vehivavy ny fanofanana,  ny volana janoary 2016, raha araka ny fanazavana azo.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT