“Malahelo mihitsy izahay fianakaviana fa lasa fampanantenana poak’aty ny filazana tamin’ny haino aman-jery fa horaisin’ny fanjakana an-tanana ny fandevenana ireo tra-doza.”
Io no tenin’i Gino Gigi Ernould Andrianjara, solontenan’ny fianakavian’ireo mpivady niara-nindaosin’ny fahafatesana, manoloana ny mpanao gazety omaly mitataovovonana teo amin’ny INFP Mahamasina. Araka ny angom-baovao, omaly talata maraina tamin’ny 10 ora no novinaina fa hihazo any Betafo, Antsirabe ny nofo mangatsiakan’ireo ray sy renim-pianakaviana niara-maty. Kinanjo, voatery nihemotra fa niandry hatramin’ny ora farany ny fandraisana anjaran’ny fitondrana, araka ny feo efa nandeha ireo fianakaviana.
Manohy ny fanazavany ity mpikarakara ny fandevenana ity, araka ny lamin’ny fianakaviana. “ Vao avy nitaraina tany amin’ny” Prefet de police” aho izao, dimy alina Ariary no azo nandritra ny tapany maraina. Ny efa azo tany amin’ny praiminisitra anefa 2 hetsy, ny avy amin’ny minisitry ny mponina 300.000 Ariary. Isaorana izy ireo aloha nanome izany fa raha ny fandaniana, miampy ireo fanafody vidiana ivelan’ny Farmasia ao amin’ny HJRA dia sahirana tanteraka ny fianakaviana. Marihina mantsy fa vao andeha hodidiana ny zanak’izy mivady halevina ireto. Voatery nanao tsipaipaika izahay fianakaviana nividianana ilay fanafody izay mitotaly iray hetsy Ariary, tsy nisy tao amin’ny HJRA. Ny mpivaro-panafody ivelan’ny hopitaly tsy mahalala izay iantohan’ny fanjakana any dia voatery izahay namorona ny tsy misy. Toa tsy hita hatreto ilay fampanantenana fa handray an-tanana ny fandevenana ny fitondrana. Efa niandry haino aman-jery mihitsy aho fa toa lasa malaza tsy hihinana fotsiny nefa tsy ampy akory ny fizakana. Ny saran-dalana mandroso sy miverina izao efa ho 600.000 Ariary. Ny fikarakarana ny taratasy, ny lamban-drazana, ny vata, ny sakafo sy fanafodin’ny marary etsy an-daniny.
Heverina fa tsy mora ny mamoaka ny volam-panjakana ka mety mbola honeran’ny fitondrana izany. Saika rotsa-dranomaso avokoa ireo havana aman-tsakaiza sy mpiara-monina tamin’ireo mpivady niara-maty raha nahare tamin’ny famoahana ny faty teo Mahamasina omaly atoandro fa tamin’ny fotoana iaingan’ny razana omaly no niditra efitra fandidiana ny zanany. Tsy mba ray na reny intsony anefa hitarainan’ity zaza 4 taona ity, indrindra raha lefy ny “anesthésie”.
HajaNirina
Rotsa-dranomaso ny mpamoaka faty tetsy Mahamasina raha nahare fa tamin’io fotoana omaly mitataovovonana io koa no niatrika fandidiana ny zanaka efatra taonan’ireto mpivady niara-maty ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.