Actualités

Fahafatesana diplaomaty Amerikanina Hanadihady ny FBI


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Lehilahy diplaomaty amerikanina miasa ao amin’ny ambasady Amerikanina eo Ambohibao Antananarivo no hita faty tao amin’ny trano fonenany eny Ambohibao ihany ny sabotsy 22 septambra 2018 tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.

 

Nahazo antso ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny  tobin-janaparitra (Poste Avancé) Ambohibao io alina io mahakasika ny tranga ka dia nandefa avy hatrany ireo zandary izay efa teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina teny an-toerana hiatrika ny zava-misy. Teo am-pahatongavana dia lehilahy teratany Malagasy iray ahiana ho nahavanon-doza no nosamborin’ireo ireo zandary. Hita taorin’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo “ambulancier” sy ireo zandary tao an-tranon’io diplomaty io fa efa namoy ny ainy ralehilahy.  Nisy ny zavatra teny amin’ity lehilahy nosamborina ity izay nahatonga ny ahiahy taminy no nogiazana noho ny filàna izany amin’ny famotorana ho fikarohana ny marina amin’ny raharaha, hoy ny fanazavana. Ny “Cellule mixte GN-PN” izany hoe ahitana polisy sy zandary moa no natsangana manokana hanao ny famotorana ary efa miroso amin’izao fotoana. Mety hisy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikitra mpanao famotorana Amerikanina avy ao amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation) na ny polisy federaly Amerikanina hifanome tanana amin’ireo mpanao famotorana Malagasy ka miantso izay rehetra manana vaovao mba hanambara izany ho firosoana lalina amin’ny fitadiavana ny marina ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny zandarimaria.

J. Mirija

 

    

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT