Actualités

Faha-85 taonan’ny RNM Natao « ady gasy » koa ny fankalazana


  • Sabotsy 30 Aprily 2016

Nomarihina omaly ny faha-85 taonan-draneny (na ny RNM) na ny Radiom-pirenena Malagasy. Ny 29 aprily 1931, no nisera voalohany teto amin’ny resaka radio, ny Radio Madagasikara.

 

 Raneny no fiantso azy izao, satria izy no zokiny indrindra amin’ny Radio misy eto amin’ny firenena, ary niaina ireo vanim-potoana rehetra nisy, ka nanova ny tantaran’ny fitondrana nifandimby teto amin’ity Madagasikara ity. Efa niainany izany hoe manjaka tokana izany raha tsy mbola nisy ny fanalalahana ny onjam-peo hatramin’ny taona 1991, nisian’ny fihoriam-bahoaka nitaky ny fahalalahana maneho hevitra taorian’ny Fivoriamben’i La Baule tany Frantsa tamin’ny taona 1988. Ny volana martsa 1989 anefa vao nilaza ampahibemaso ny Amiraly Didier Ratsiraka fa halalahana ny onjam-peo. Niha nizaka ny vesatry ny fifaninanana amin’izay teto ny RNM na dia anisan’ny nanana fandaharana mahasarika ny mpihaino aza, ary mbola naharakotra ny Nosy manontolo. Ny iraka ho azy rahateo dia ny mivoy izay raharaham-panjakana sy ny zava-bitany fa tsy natao ho azy ny miborosy fotsiny ny fanjakana. Koa lanonana tsotra dia tsotra no natao omaly, natao ady gasy e ! Nampanantenaina indray, toy ny tamin’ny dimy taona lasa nankalazana ny faha-80 taona fa hamboarina ny tranon’ny RNM may kila hotohoto tamin’ny 2009. Dimy taona aty aoriana ankalazana ny faha-85 taonan’ny RNM, ny teo ihany no teo. Nilaza ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana fa harenina io foiben’ny RNM io. Samy miandry ny rehetra mba tsy ho teny fampiesonana, toy ny efa fandre tamin’ity fitondrana ity indray izany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT