Mitohy hatrany ny fankalazan’ny Ostie ny faha-60 taona niasany tamin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Ankoatra ny varavarana misokatra izay tanterahina etsy Behoririka nanomboka omaly entina hampahafantarana ny rehetra ny tolotra omen’ny Ostie sy ireo karazana fitsaboana azony hatao dia nohavaozina tanteraka ihany koa ny fotodrafitrasa etsy Behoririka.
Lohalaharana amin’izany ny trano fandraisana ny marary izay nasiam-panitarana avokoa ny ankamaroany. Nampiana iray ihany koa ny rihina. Ankoatra izay dia fantatra fa efa mandray an-tanana ny fitsaboana ny aretina diabeta ihany koa izy ireo ka efa mahatratra 700 isa ireo marary raisiny an-tanana. Miisa dimy ny fiara mpitondra marary ao aminy. Miezaka hatrany izy ireo manome fahafaham-po ireo mpikambana ao aminy izay efa mahatratra 1 hetsy ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanenana ny saran’ny fitsaboana izay tsy mihoatra ny 10 % isam-bolana no alain’izy ireo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa isam-bolana( 1 % avy amin’ny karaman’ny mpiasa raha 5 % avy amin’ny mpampiasa). Mahatratra hatrany amin’ny 40 % isam-bolana mantsy ny saran’ny fitsaboana hataon’ny olona iray eto amintsika amin’izao raha 10 % no tokony ho izy raha araka ny tarehimarika navoakan’ny OMS. Midika izany fa miezaka mijery ny mpiara-belona ny Ostie na dia tsy mitsaha-miakatra aza ny vidim-panafody...Narahina famelabelaran-kevitra izany omaly folakandro toy ny fampahafantarana ny olona ny fanafody generique, ny fiahiana ny fahasalamana eo amin’ny sehatra ny asa ary ny fitsaboana eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.