Actualités

FAFAH MAHALEO Nosalorana ny « grand officier de l’ordre national »


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Misaona tanteraka ny tontolon’ny zava-kanto Malagasy. Endrika malahelo no hita teny amin’ny rehetra omaly nandritra ny

 

 

 

fandalovan’ny vatana mangatsiakan’i Fafah Mahaleo tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina taorian’ny nitondrana azy tao amin’ny fiangonana Tranovato Faravohitra. Ora roa teo no nijanona tao an-toerana ny razana niredonan’ireo mpiara-mihira taminy ireo hira nahafantarana ny tarika Mahaleo hatramin’izay ankoatra ireo  efa vita teny Andohalo izay saika tsy nifarana raha tsy  omaly tamin’ny 4 ora maraina na dia avy be aza ny ranon’orana. Nambaran’i Bekoto  tamin’izany fa toy ny tenany no nosilahina roa vantany vao  namoy ny ainy i Fafah. Raha tany amin’ny avokavokany mantsy, hoy izy no tena notsaboina dia ny fon’Itompokolahy no nijanona tampoka ary in-dray mipi-maso no nitrangan’izany. Mbola nitomany ny lehilahy nandritra ny fotoana nifampiresahany tamin’ny mpanao gazety. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa mbola hijoro hatrany ny tarika. Hitohy hatrany ireo fihaonany amin’ny mpankafy. Na efa mihavitsy aza izy ireo dia hizara fito foana ny vola azony. Ho an’ireo efa tsy eo intsony, hoy izy dia ny vady aman-janany no handray izany. Notolorana ny mari-boninahitra Grand officier de l’ordre national moa Itompokolahy. Tany Rangaina Ilafy kosa no naterina ny nofo mangatsiakany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT