Actualités

Fadin-tseranana Malagasy Hiady amin’ny kolikoly,hiaro ny mpanjifa


  • Alarobia 27 Janoary 2016

Tao Toamasina no nankalazana izany ofisialy ho an’ny teto amintsika andro eran-tany ho an’ny ladoany na fadin-tseranana, ka nisy ny fitokanana sy fampahafantarana ireo teknolojia vaovao,

 

 entina ampiasaina amin’ny fikirakirana amin’ny famoahana entana sy fanondranana entana. Ny filoham-pirenena mihitsy no tonga nijery sy nisantatra ny fampiasana ireo fitaovana novolavolain’ny orinasa GasyNet, izay mpiara-miombona antoka amin’ny ladoany Malagasy amin’ny fanaraha-maso ireo entan’ny mpandraharaha sy ny mpanjifany. Ho an’Atoa Rajaonarimampianina Hery dia, fanamby tsy maintsy nirosoana ny fampiasana izao teknolojia izao noho ny varotra eran-tany mitaky izany. Nanampy ny Malagasy tamin’ny fametrahana azy ihany koa ny banky iraisampirenena tamin’ny alalan’ny PGDI, na ny rafitra fanaraha-maso ny fitantanan-draharaha ara-panjakana. Ny ladoany mantsy no mampiditra ny 48% ny hetra mameno ny kitapom-bolam-panjakana, raha ny 52% no ampidirina hetra samihafa alain’ny fanjakana. Ho an’ny tale jeneralin’ny ladoany, Atoa Rabenja Eric Narivony, kosa dia tanjona telo no nametrahana izao fanamby izao. Ny fanatsarana ny fidiran-ketra amin’ny alalan’ny fadin-tseranana Malagasy, ny fiarovana ny mpanjifa sy ny mpandraharaha amin’ny asa ataony, ary ny ady atao amin’ny kolikoly eo anivon’ny fadin-tseranana. Raha nidina mantsy ny tahan’ny fampidirana entana nataon’ireo mpandraharaha ny taona lasa, dia nahitana fiakarany 16% kosa ny fidiran-ketra satria nampiditra vola 100% ny ady nataony tamin’ny hosoka ny fadin-tseranana izay nahatratra 22 arivo tapitrisa ariary. Amin’izao fisantarana ny fampiasana ny teknolojiam-pifandraisana amin’ny fikirakirana ny entana eo anivon’ny ladoany izao, dia mbola toerana misy ladoany telo no nampiasana azy ao Toamasina ankoatra ny eny Ivato izay efa nanomboka ny taona lasa, dia ny ladoany eny Ambatovy Tsararivotra, ny ladoany eo anivon’ny Galana Manangareza, ary ny ladoany eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nefa ao anatin’ny ady ataon’ny ladoany amin’ny kolikoly dia nametraka “permis à point” amin’ny fahazoan-dalany miasa eo anivon’ny ladoany, ho an’ireo “transitaires” mpandika lalàna ny minisitera.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT