Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.
Maro ireo mpanjifa no mitaraina amin’ny fomba fiasa indrindra mahakasika ny fitarazohan’ny famoahana na fampidirana entana. Matetika dia lany vola sy lany fotoana ireo mpandraharaha ary tsy maharaka mihitsy ny antony mety mahataraiky na manakana ny fivoahan’ny entany. Amin’izao fotoana izao dia afaka miantso maimaimpoana io laharana maitso io ny mpanjifa sy ny mpandraharaha dia hivaha ny olana. Ankoatra izay, afaka mangata-baovao mivantana na ireo antontan-taratasy ilaina na tsy ampy mahakasika ny famoahana na fampidirana ny entana izy ireo. Raha misy trangana kolikoly ataon’ny mpiasan’ny fadin-tseranana dia ny fiantsoana io laharana 360 io no hampita mivantana izany amin’ireo tompon’andraikitra mahefa ka hisy ny fanapahan-kevitra raisina mifandraika amin’izany ary tsy hisy mihitsy ny arakaraka ho an’ireo mpampita vaovao. Nanambara ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fadin-tseranana fa tamberin’andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ny vahoaka sy ny mpandraharaha izao ezaka izao ary tokony haharaka ny vaovao sy ny loharanom-baovao rehetra ao ny Malagasy. Efa nosoniavina rahateo ihany koa ireo fifanarahana mahakasika ny fifanakalozana ara-barotra izay tokony halalaka tanteraka, hoy hatrany izy ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.