Somary niraikitra ireo tambajotran-tserasera toy ny Facebook, Messenger, Whatsapp, Instagram,…
omaly, ka olana tamin’izany ny resaka sary tsy mipoitra na manjavozavo. Maro no nanova sy nanandrana ireo “puce” an’ny orange na Airtel na Telma saingy ny teo ihany no teo. Maneran-tany ny olana raha ny voalazan’ny Down Director, izay anisan’ny mitsirika ny olana ara-informatika. Nanomboka tamin’ny facebook izany omaly tamin’ny 2 ora tolakandro ora any an-toerana tany Parisy, tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho an’ny Instagram, ary tamin’ny 4ora teo ho eo kosa ho an’ny Whatsapp. Saika izao tontolo izao no voakasiky ny olana satria hatrany Eoropa, Etazonia, Brezila, Argentine, Malaisie,… io olana io. Omaly hariva ihany dia efa nandeha ny ezaka famahana olana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.