Tafitan’ny Hafari Malagasy notarihan’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina notronin’ny Rndc sy ny domaine Fiavo omaly, tany Soaniedanana Ankazobe PK 67 lalam-pirenena faha-4, ny fampirantiana tamin’ireo vahiny nasaina toy ny
solontenam-panjakana nosoloin’ny SG an’ny Faritra Analamanga tena, ny lehiben’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ankazobe, ireo lehiben’ny zandary avy any Ankazobe sy Mahitsy ary ny sefom-pokontanin’Ambohidroa any Soaniedanana, ny karazam-pihariana vita tao anatin’ny 1 volana navondrona tao amin’ilay hoe : « Vitrine fihariana 2015 ». Nahita maso ireo karazam-boly isan-karazany toy ny varim-bazaha, soja, mangahazo, katsaka, dipoavatra mena (poivre rouge) … ary ny fiompiana akoho be nofo niaraka tamin’izy ireo koa ireo olona tapa-kevitra ny mbola hifindra monina eny an-toerana sy ny mpanao gazety marobe. Fomba fijery vaovao ny fiainana sy fihariana fehezina amin’ny hoe “Vie positive” no tarigetra amin’ny Exode urbain, hoy Atoa Jean Nirina, ka voly misy fifanarahana mazava vonona avy hatrany halefa aondrana no atao ety. Amin’ny 7 febroary 2015 izahay dia efa hanatitra poivre rouge 20 taonina any an-tseranan-tsambon’i Toamasina haondrana any ivelany. Ho avy eny an-toerana ireo mpandrefy tany hanao famaritana ny tany ho an’ny mpangataka tsirairay. Hosantarina amin’ny herinandro ho avy ny Exode urbain any Antsirabe ary ny AG hotontosaina rahampitso sabotsy no hamarana ity “Vitrine” ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.