Actualités

Evato – Farafangana Hanandratra Ampanjaka vaovao ny Zafisoro ?


  • Zoma 25 Martsa 2016

Ho andro miavaka ity zoma 25 martsa 2016 ity ho an’ny foko Zafisoro any Farafangana.

 

 Hisy fivoriambe hotanterahina any Evato, iantsoana ny Zafisoro avy amin’ireo Kaominina miisa 11 any an-toerana. Ireo Ampanjaka enin-dahy, telo troky mifehy ny Zafisoro no mampiantso an’ity fivoriambe ity.

Nisy akony tamin’ny foko Zafisoro ny hetsika fanamafisam-pihavanana teo amin’ny Antefasy sy Zafisoro natao tao Farafangana ny 18 martsa 2016 lasa teo. Nisafotofoto anatiny ny samy Zafisoro noho io, fa hoe tsy nifanarahana ny fandraisan’anjaran’ireo Ampanjaka enin-dahy telotrôky mifehy ny Zafisoro tamin’io hetsika io, hoy izy ireo. Lasa lavitra mihitsy ny raharaha satria tonga tany amin’ny fanonganana azy enin-dahy ireo. Ao anatin’ny fifandaminana tanteraka ny Zafisoro amin’izao, handravonana ny fisamatsamahana. Tafiditra ao anatin’izany ity fivoriambe hatao anio ity, hanandratana Ampanjaka vaovao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT