RAHARAHA RAVALOMANANA: Araka ny nambaran’ny mpisolovavan’ireo mpiasan’ny ACM dia marary ireto farany amin’izao fotoana izao.Ny nahatonga izany aretina izany moa dia ny fandavan-dry zareo hisakafo raha ny fanazavana voaray.
FAMPIHAVANANA:Misy sahady ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo ankolafy politika.Nanambara ny ankolafy Ravalomanana fa tokony ho tadiavina aloha ny marina mialoha ny fampihavanana;ho an’ny ankolafy Rajoelina anefa dia tokony ho tanterahina ny fitsarana mialoha ny hirosoana amin’izany.
FAMOKARANA: Nihena 30% ny vokatra avy amin’ny orinasa hafakaba teto an-drenivohitra vokatry ny delestazy.Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra araka izany ny “Groupements des Entreprises Franches et Partenaires” na GEFP mba hijerena akaiky ny vahaolana momba izany.
NOSY-BE: Tokony haverin’ny Minsteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ao anatin’ny “Zone Orange” I Nosy-be araka ny nambaran’I Maurice Judalet,rain’ny iray tamin’ireo vazaha novonoin’ny mponina tao Nosy-be.Nataony moa izany fanambarana izany nandritra ny fihetsiketsehana notarihiny tao Angers-Frantsa.
KOLOTSAINA: Notokanana omaly tolakandro ny “Espace Français” tao amin’ny efitrano Jean Joseph Rabearivelo tao amin’ny tranom-bokim-pirenena.Boky miisa 1500 momba ny kolotsaina frantsay sy ny fahalalana ankapobeny no ho hita ao.
AMBOASARY ATSIMO:Tsy misy firy intsony ny halatr’omby any amin’ny faritra Amboasary Atsimo taorian’ny fisian’ireo dahalo niova fo miisa 4600 araka ny nambaran’ny Jeneraly Didier Paza.Mitohy kosa anefa ny “Opération Coup d’arret” any amin’ireo faritra hafa.
HOPITALY: Tapaka nandritra ny efatra andro ny rano teny amin’ny hopitalin’ny miaramila Soavinandriana ary ny Alarobia lasa teo izany vao niverina.Nilaza anefa ireo mpitsabo sy ny mpiandry marary fa mbola tsy tena azo antoka ny ranon’ny JIRAMA hatramin’izao.
FIARAHA-MIASA: Nanolotra fanampiana mitentina 95 tapitrisa ho antsika ny Vondrona Eoropeana.Io lelavola io dia natokana hanatanterahana ireo tetik’asa maika sy ireo tetik’asa misahana ny sosialy eto Madagasikara.
LOZA VOAJANAHARY: Araka ny nambaran’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro dia rivo-doza miisa telo eo no hikasika an’I Madagasikara amin’ity vanim-potoanan’ny fahavaratra 2014-2015 ity.Araka ny fanazavana avy amin’izy ireo ihany dia roa amin’ireo rivo-doza ireo no hahery vaika kokoa.
ACM: Hotanterahina ny 01 hatramin’ny 07 Desambra ho avy izao ny herin’andron’ny fitaterana an’habakabaka izay ho karakarain’ny ACM.
POLITIKA: Nilaza ny solontenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa ny fiverenan’ity farany ao Faravohitra no takian’izy ireo mialoha ny hantanterahana ny fampihavanana.
RAHARAHA KOUMBA: Namerina nangataka fahafahana ho an’ity mpiambina ny filoha teo aloha ity ny mpisolovava azy Rafidison Eric.Tamin’izany indrindra no nilazany fa miha-ratsy hatrany ny fahasalaman’I Jean Marc Koumba.
FIARAHA-MIASA: Nahazo fampindramam-bola mitentina 40 tapitrisa ariary avy amin’ny Agence Française du Développement na AFD I Madagasikara.Io no vola be indindra nampindramin’ity fikambanana ity ho an’I Madagasikara.
FIFANDRAISANA: Notanterahina tany Mahajanga omaly 19 Novambra ny ny atrik’asa momba ny lalàna mifehy ny fifandraisana.Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny momba ny fahitalavitra TNT.
POLITIKA: Nilaza ny FFKM fa filoham-pirenena telo teo aloha no nanambara fa hanao fiaiken-keloka.Izany moa no natao dia mba hampirindra tsar any fampihavanam-pirenena.
AIR MADAGASCAR: Araka ny vaovao voaray tao amin’ny tranokalan’ity seranam-piaramanidina ity dia vita ny asa napetraka tamin’ny Direktera Jeneraly vonjimaika Haja Raelison.Tsy manana Direktera araka izany ity kaompania Malagasy ity.
JIRAMA: Nanao fanambaranany tompon’andraikitry ny JIRAMA fa misy ny tsy fahampian’ny rano eny amin’ireo centrale fitsinjarana ny rano ankehitriny.Araka izany dia nilaza izy ireo fa tokony tsy ho lanilaniana foana ny rano fa ampiasaina amin’ireo filàna manan-danja.
FITATERANA: Misy amin’ireo solombavam-bahoaka no mandà ny fantanterahana ny tetik’asa fanafarana fiara fitateram-bahoaka avy any Japon araka ny nambaran’ny filohan’ny UCTU ny Alarobia lasa teo.
FANKALAZANA: Notanterahina teo amin’ny zardaina Antaninarenina ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy.Tsara ny manamarika fa hifarana anio ny fankalazana amin’ny alalan’ilay tetik’asa ny Ambasady Amerikana “Listen-Henoy izahay”.
SOSIALY: Tsy mbola voahaja ny zon’ny ankizy eto amintsika.Araka ny antontan’isa dia ampaha-efatry ny ankizy 9 hatramin’ny 17 taona no miasa sahady ho fanampiana ny ankohonan’izy ireo.Ary ankizy maherin’ny 1 tapitrisa no tsy miditra an-tsekoly.
IRAISAM-PIRENENA
FANATANJAHAN-TENA: Iray volana sy tapany aty aorian’ilay loza mahatsiravina nahazo an’I Jules Bianchi dia nifoha tamin’ny “Coma” nahazo azy izy.Mbola tsy tena azo lazaina ho salama anefa ity mpanamory formule 1 ity na izany aza.
TEXAS: Mpitsara iray tao an-toerana no nandà ny hanatanterahana ny famonoana lehilahy marary saina iray tao Ohio.Tsara moa ny manamarika fa didim-pitsarana nivoaka io taorian’ny fitsarana ity lehilahy ity izay voalaza fa namono nahafaty ny vadiny.
MISS MONDE: Maty novonoin’ny fofombadin’ny rahavaviny I Maria José Alvarado, 19 taona,Miss Honduras ny Alarobia lasa teo.Marihina moa fa saika hisolo-tena ny fireneny any amin’ny fifaninana Miss Monde I Maria José izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
FANATANJAHAN-TENA: Fantatra ankehitriny fa hiatrika ny CAN 2015 ny Elefantan’I Cote d’Ivoire taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Cameroun tao Abidjan ny Alarobia lasa teo.
FAHASALAMANA: Nanatanteraka zava-bita mahagaga ny hopitalin’i Armand Trousseau tao Frantsa.Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana ilay zaza dimy volana monja,fandidiana izay notanterahina tao an-kibon’ny reniny.Teraka soa aman-tsara ilay zaza ny 09 Novambra lasa teo ary salama tsara.
ETAZONIA: Nahafatesana olona miisa valo ny firotsahan’ny ranomandry tao Buffalo.Nanao antso avo tamin’ny fitondram-panjakana ny Governoran’I New York ny amin’ny tokony hijerena akaiky izany tranga izany.
OLYMPIQUES DE MARSEILLES: Nivoaka ny Alarobia lasa teo ireo tompon’andraikitry ny Olympiques de Marseilles rehefa notazonin’ny mpitandro filaminana noho ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon’ity klioba ity.
LOON PLAGE: Olona roa no namoy ny ainy tao Loon Plage ny Alarobia lasa teo tamin’ny fahamaizan’ny fiara lehibe iray tao amin’ny “terminal” an’I Ferry tao Dunkerque.Raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina dia olona saika andeha hiampita ho any Angleterre ireto farany.
FRANTSA: Tsy nahaomby ny fikarakarana ny fifidianana tao Frantsa ny taona 2012 raha ny nambaran’ny Ministeran’ny Ati-tany any an-toerana.Tamin’izany no nilazan’izy ireo fa 1, 1% tamin’ireo mpifidy no afaka nifidy in-droa tamin’izany fifidianana izany.
NICOLAS SARKOZY: Nanambara ny filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy far aha voafidy indray ho filoham-pirenena ny tenany ny taona 2017 dia hanova tanteraka ny rafi-mpampianarana sy ny fananan-tany ao Frantsa.
EBOLA: Ho afindra any Genève tsy ho ela ilay Dokotera iray 43 taona tratran’ny valan’aretina Ebola tany Sierra Leone.Marihina moa fa ny OMS no handray an-tanana izany fandefasana azy any Genève izany.
POLITIKA: Tsy milamina ny raharaha anatiny ao amin’ny antoko sosialista any Frantsa izay nisafidy ny hanatanteraka ny fivorian’izy ireo ny volana Jona 2015.Sarotra ho an’izy ireo anefa ny hanatanterahana izany taorian’ny olana goavana natrehin’ity antoko ity.
COLOMBIE: Mba hanatanterahana ny fifanarahana sy ny famerenana ny fitoniana any an-toerana dia navotsotry ny Farc ny manam-boninahitra Kolombiana iray izay nosamborin’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo.
IRAK:Fiara iray nisy fandrika iray no nipoaka teo anoloan’ny governoran’I Erbil ny Alarobia lasa teo.Olona miisa efatra no namoy ny ainy vokatr’izany.Naneho ny heviny momba izany moa ny Etat Islamique ary nankasitraka tanteraka izany hetsika izany.
EBOLA: Hahazo fanampiana avy amin’ny ONU I Mali ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Ebola.Olona maherin’ny 400 hatreto no haraha-maso akaiky ny fahasalamany.Nihaona tamin’ny filohan’I Mali moa ny solontenan’ny ONU Tony Banbury mba hijerena akaiky ny toe-draharaha any an-toerana.
FRANCOIS HOLLANDE: Nanentana ny Minisitra rehetra ao amin’ny governemantany ny filoha frantsay mba ho tony sy hazava eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.Nandritra ny “Consil des Ministres “moa no nanaovany izany fanambarana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.