Actualités

Eto an-drenivohitra ny pesta Tsy voafehin’ny Dr Kolo Roger ny minisiteran’ny fahasalamana ?


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Faritra telo dia Bongolava (Tsiroanomandidy), Alaotra Mangoro (Andilamena) ary Analamanga (Antananarivo I) izao no nahitana trangan’aretina pesta. Malagasy efa roapolo mahery no namoy ny ainy tao anatin’izany

Naninona no tonga amin’izao toe-javatra izao, nefa efa tamin’ny vola aogositra no nandrenesana fisiana trangana pesta tany Bongolava. Tandrevaka, tsy fandraisan’andraikitra, tsy fahafehezana ny asa sa gaboraraka ara-pitantanana mihitsy ? Mampalahelo fa dia ny vahoaka madinika hatrany no tena mitondra faisana. Sa tsy manan-jo mba ho salama izy ireo ? Mampivady ny asan’ny minisitry ny fahasalamana ny praiminisitra Dr Kolo Roger, hatramin’ny nitsanganan’ny governemanta. Mahalana dia mahalana anefa no andalovany etsy Ambohidahy misy ny minisiteran’ny fahasalamana, araka ny fanamarihan’ny mpiasa ao. Izy rahateo toa sahirana mikarakara ireo dahalo niova fo any atsimon’ny Nosy. Sao mba izany aza no miteraka izao firongatr’ity aretina efa tsy fahita intsony eran’izao tontolo izao ity. Sa ilay minisiteran’ny fahasalamana mihitsy no tsy voafehiny ka tokony hanendrena olon-kafa fa mijaly ny vahoaka e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT