Actualités

Etazonia sy Kanada Miverina miara-miasa amin’i Madagasikara


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’i Etazonia eto amintsika teny amin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly Atoa Robert T Yamate. Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Etazonia, ny Agoa, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana. Ireo moa no fepetra apetraky ny fanjakana Amerikanina ho

fanohizana ny fiaraha-miasa. Efa niasa tany Senegal, Côte d’Ivoire, Zimbabwe ary Taiwan ity masoivoho Amerikanina vaovao eto amintsika ity. Fa omaly ihany koa no tonga teny Iavoloha nanatitra ny taratasy manendry azy ho masoivohon’i Kanada eto Madagasikara ary manana ny toeram-piasany atsy Pretoria Afrika atsimo Atoa Gaston Barban. Fanamafisana ny fiaraha-miasa izay efa nisy nanomboka tamin’ny 1965 no anton-dresaka. Tsara homarihina fa i Kanada no manana petra-bola betsaka indrindra ao amin’ny tetikasa Ambatovy (Moramanga) sy QMM (Tolagnaro).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT