Actualités

Etazonia sy Frantsa Samy nanakatona ny masoivohony


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Manomboka mandray fepetra manoloana ny Coronavirus ny masoivoho Amerikanina eto Madagasikara, hita tao amin’ny pejy facebook an’ny US Embassy Madagascar ny fanambarana hoe :

 

 

 “Noho ny fisian’ny valanaretina izay mihanaka maneran-tany amin’izao fotoana izao dia hikatona mandritra ny telopolo (30) andro ny ivotoerana Information Resource Center. Izao no natao dia mba ho fiaraha-mientana hampanajana ny fametrahana elanelana fiarovana sy mba hitandrovana ny fahasalaman’ireo mpitsidika sy ny mpiasa” ,Mazava ho azy fa nofoanana ireo hetsika mamory olona saika notanterahana tahaka ny ETalk ohatra.Mifandraika amin’izay ihany dia re fa mikatona mandritra ny 30 andro manomboka anio alarobia ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara sy ireo birao rehetra ao aminy. Fantatra koa fa mikatona toy izany koa ny sekoly amerikanina eto amintsika.Fanarahana ny toromarika fisorohana ny mety ho fihanaky ny valanaretina Coronavirus no anton’izany no sady fiaraha-mientana hampanajana ny fametrahana elanelana fiarovana ho fitandroaana ny fahasalaman’ny mpitsidika sy ny mpiasa.

Masoivoho Frantsay

Namoaka fanambarana ihany koa ny masooivoho Frantsay eto Madagasikara fa miato hatramin’ny fotoana tsy mbola voafetra aloha ny famoahana Visa ; famoahana laissez-passer ho an’ireo teratany Frantsay mandalo eto Madagasikara ka handeha hody any Frantsa ihany no misy.Ka azo angatahana amin’ny alalan’ny fandefasana e-mail izany.Efa nikatona nanomboka omaly ihany koa ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara.Samy mizara ny vaovao tsara ho fantatra momba ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha amin’ny internet amin’ny tanokalany na ny pejy facebook ‘ny tsirairay avy moa ireto masoivoho roa ireto azo antsoina amin’ny telefaonina sy handefasana e-maila ihany koa ho an’ireo teratany Amerikanina na Frantsay mila fanampiana.Mazava ny resaka eto, tsy sangisangy intsony ny resaka valanaretina Coronavirus ka aleo misoroka toa izay mitsabo.Firenena anisan’ny henjana indrindra eto ambonin’ny tany amin’ny resaka “”service de renseignement” i Etazonia sy Frantsa, ka ao raha matoa mandray izao fepetra hentitra izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT